<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Klug</author>
<lyrics>[V1]
 Hevero, ry mpanota ô,
 Ny andro fitsarana !
 Hiverina ny Tomponao
 Hamaly fahotana ;
 Ny lanitra hahorona,
 Ny tany dia hodorana,
 Fa avy Ilay Mahery.

[V2]
 Trompetra no ho levona
 Hotsofin'ny anjely ;
 Hisokatra ny fasana,
 Hivory izay niely ;
 Ny maty dia hatsangana,
 Isika koa hakarina
 Hanatrika ny Tompo.

[V3]
 Ny boky hovelarina,
 Fa io no manambara
 Ny asa izay miafina,
 Handraisana anjara ;
 Ka aza mba mihevitra
 Hahazo mihodivitra
 Fa fantatry ny Tompo.

[V4]
 Ry Tompo ô ! hazoninay
 Ny tenim-panekena,
 Ka mba arovy izahay
 Hitana famonjena ;
 Ny ranao sy Fanahinao
 No tokinay raha avy izao
 Ny andro fitsarana.</lyrics>
<title>Hevero ry mpanota o ny andro fitsarana FFPM48</title>
<hymn_number>48</hymn_number>
</song>